Matthew 24

1Nivoaka ny tempoly Jesosy ary lasa nandeha. Nanatona Azy ireo mpianany mba hanoroana Azy ny rafitry ny tempoly. 2Nefa namaly Izy ary niteny tamin’izy ireo hoe: “Tsy hitanareo va ireo zavatra rehetra ireo? Lazaiko marina aminareo, tsy hisy vato ho tavela amin’ny iray hafa izay tsy ho ravàna.”

3Raha nipetraka teo an-tendrombohitr’Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ireo mpianany ary niteny hoe: “Lazao anay, rahoviana ireo zavatra rehetra ireo no hitranga? Inona no famantarana ny fahatongavanao sy ny fara-andro?” 4Namaly Jesosy ary niteny azy ireo hoe: “Mitandrema mba tsy hisy hamitaka anareo”. 5Fa ho maro ny ho avy amin’ny anarako. Ary hiteny izy ireo hoe: ‘Izaho no Kristy,’ ary maro no ho voafitaka.

6Handre ady sy tatitr’ady ianareo. Mitandrema mba tsy hitebiteby ianareo, fa tsy maintsy hitranga izany zavatra rehetra izany; nefa tsy mbola tonga ny farany. 7Fa hisy firenena hitsangana hanohitra firenena, ary fanjakana hanohitra fanjakana. Hisy mosary sy horohoron-tany amin’ny toerana samihafa. 8Nefa izany zavatra rehetra izany dia fiandoahan’ny fanaintainan’ny fiterahana fotsiny ihany.

9Ka ho atolotr’izy ireo ho amin’ny fahoriana ianareo ary ho vonoiny. Ho halan’ny firenena rehetra ianareo nohon’ny anarako. 10Ary maro ny ho tafintohina, ary hifamadika sy hifankahala ny tsirairay. 11Mpaminany sandoka maro no hitsangana ka hamitaka olona maro.

12Satria ny faharatsiana dia hitombo, ary hihamangatsika ny fitiavan’ny maro. 13Fa ilay iray izay miharitra hatramin’ny farany dia ho voavonjy. 14Ity filazantsaran’ny fanjakana ity dia ho toriana erak’izao tontolo izao ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra. Avy eo dia ho tonga ny farany.

15Noho izany, raha mahita ny fahavetavetan’ny fandravana ianareo, izay nolazain’i Daniela mpaminany, dia hitsangana eo amin’ny toerana Masina ianareo” (aoka ny mpamaky hahatakatra), 16“Aoka ireo izay any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra, 17aoka izay ao an-tampon’ny trano tsy hidina haka zavatra avy ao an-tranony, 18ary aoka izay any an-tsaha tsy hiverina haka ny lambany.

19Fa loza ho an’ireo bevohoka sy mampinono amin’izany andro izany! 20Mivavaha mba tsy ho amin’ny ririnina na amin’ny Sabata no hitranga ny fandosiranareo. 21Fa hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toy izany hatrany am-piandohan’izao tontolo izao mandrak’ankehitriny, tsia, ary tsy hisy intsony. 22Raha tsy afohezina ireo andro ireo, dia tsy hisy nofo ho vonjena. Fa nohon’ny olom-boafidy, dia hafohezina ireo andro ireo.

23Fa raha misy olona miteny anareo hoe: ‘Indro, ity ilay Kristy’ na, ‘iry ilay Kristy’ dia aza mino izany. 24Fa ny Kristy sandoka sy ny mpaminany sandoka dia ho avy ary hampiseho fahamatrana lehibe sy zava-mahagaga, mba hamitaka, raha azo atao, eny fa na ireo olom-boafidy aza. 25Indro, efa nolazaiko anareo mialohan’ny fotoana.

26Noho izany, raha miteny anareo izy ireo hoe: ‘indro, any an-efitra izy,’ dia aza makany an-efitra. Na hoe ‘indro, any anaty efitrano izy’ dia aza mino izany. 27Fa toy ny varatra izay mitselatra avy any antsinana ka mazava hatrany andrefana, dia tahaka izany ny fihavian’ny Zanak’Olona. 28Na aiza na aiza misy biby maty, dia any no hiangonan’ny voltora.

29Ary raha vao afaka ny fahoriana amin’ireo andro ireo dia ho maizina ny masoandro, tsy hanome ny hazavany ny volana, hilatsaka avy any an-danitra ny kintana, ary hihozongozona ny herin’ny lanitra.

30Avy eo dia hiseho eny amin’ny lanitra ny famantaran’ny Zanak’Olona, ary ny foko rehetra ambonin’ny tany hisaona. Hahita ny Zanak’Olona tonga amin’ny rahon’ny lanitra miaraka amin’ny hery sy voninahitra lehibe Izy ireo. 31Handefa ireo anjeliny Izy miaraka amin’ny feo trompetra mafy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy any amin’ny vazan-tany efatra izy ireo, manomboka amin’ny faravodilanitra ka hatrany amin’ny hafa.

32Mianara ny lesona avy amin’ny aviavy. Raha vantany vao matoy ny sampana ary mamoaka ny raviny, dia fantatrareo fa manakaiky ny fahavaratra. 33Toy izany ihany koa, raha mahita izany zavatra rehetra izany ianareo, dia tokony ho fantatrareo fa efa akaiky Izy, eo amin’ireo vavahady mihitsy.

34Lazaiko marina aminareo, fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pisehon’izany rehetra izany. 35Tsy hisy intsony ny lanitra sy ny tany, fa ny teniko dia tsy mba ho levona mandrakizay.

36Kanefa ny mahakasika izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na ny Anjelin’ny lanitra aza, na ny Zanaka lahy, fa ny Ray ihany.

37Toy ny tamin’ny andron’i Noa, dia tahaka izany ihany koa ny fihavian’ny Zanak’Olona. 38Fa toy ny tamin’ireo andro mialohan’ny safo-drano dia nihinana sy nisotro izy ireo, nanambady sy nampakarina mandra-pahatongan’ilay andro nidiran’i Noa tao anatin’ilay sambo fiara, 39ary tsy nahafantatra na inona na inona izy ireo mandra-pahatongan’ny safo-drano ka nandringana azy rehetra- dia tahak’izany ny fihavian’ny Zanak’Olona.

40Avy eo hisy lehilahy roa eny an-tsaha - ny iray ho raisina, ary ny iray ho avela. 41Vehivahy roa no hitoto vary- ny iray ho raisina, ary ny iray ho avela. 42Noho izany dia miambena, fa tsy fantatrareo izay andro hiavian’ny Tomponareo

43Fa fantaro izao, raha fantatry ny tompon-trano hoe amin’ny firy alina no hiavian’ny mpangalatra, dia ho niambina izy ary tsy namela ny tranony ho vaky. 44Noho izany dia tsy maintsy mivonona ihany koa ianareo, fa ho avy ny Zanak’Olona amin’ny ora tsy ampoizinareo.

45Koa iza moa ilay mpanompo mahatoky sy hendry izay notenendren’ny tompony hanapaka ny ankohonany mba hanomezana azy ireo ny sakafon’izy ireo amin’ny fotoana mety? 46Sambatra izany mpanompo izany izay hitan’ny Tompony fa manao izany rehefa tonga izy. 47Lazaiko marina aminareo fa ny tompony no hanapaka azy ho ambonin’ny zavatra rehetra izay ananany.

48Fa raha misy mpanompo ratsy miteny ao am-pony hoe: ‘Ela fiavy ny tompoko’, 49ka manomboka mamono ireo manompo namany, sy mihinana ary misotro miaraka amin’ireo mpimamo; 50dia ho avy ny tompon’ilay mpanompo amin’ny fotoana izay tsy ampoiziny ary amin’ny ora izay tsy fantany. Dia ho kapakapain’ny tompony izy ary ho ataony toy ny an’ireo mpihatsaravelatsy ny anjarany, izay hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

51

Copyright information for PltULB